- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAdy tany tao Mahazoarivo-Vohipeno : Tovolahy iray maty tsy tra-drano voatoto vodim-basy

Ady tany tao Mahazoarivo-Vohipeno : Tovolahy iray maty tsy tra-drano voatoto vodim-basy

Niteraka famonoan’olona ny ady tany tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mahazoarivo Distrikan’i Vohipeno. Tovolahy iray no maty tsy tra-drano voatoto vodim-basy teo amin’ny lohany, ny asabotsy naraina teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany, tao amin’ny « croisement » Tamboholava. Raha ny fampitam-baovao nataona olom-boafidy iray avy any an-toerana, misetrasetra ireto mpamono olona milaza fa mpanam-bola satria mpivarotra, ary mirehareha fatratra ihany koa izy ireo fa mahitahita manana olona ambony lava tanana miaro azy, ka mieboebo eraky ny tanàna. « Tsy ekenay ny fanamparam-pahefana sy ny didin’ny be sandry ary fampihorohoroana ataon’ireto mpamono olona sy mpandrava fananan’olona ireto, ka mitsangana ny vahoaka hanohitra izany satria tany tan-dalàna i Madagasikara », hoy ity olom-boafidy ity nampiaka-peo, manaitra ny tompon’andraikitra mahefa hijery akaiky ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici