
Tsy fantatra intsony hoe inona marina no tena itongavan’ireto vahiny ireto eto Madagasikara. Ny mlahagaga mantsy raha ny zava-misy ankehitriny dia misisika ray mampiasa izao fomba tsy ara-dalèna rehetra izao izy ireo mba hidirana eto. Ohatara mivaingana amin’izany ity tranga iray ity. Teratany iraniana roa no tratran’ny Polisy misahana ny sisintany (PAF) teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra pasipaoro sandoka, ny 28 setambra teo. Pasipaoro malaisiana hosoka no hita teny amin’izy ireo raha nikasa hiondrana antsokosoko any Eoropa tamin’io andro io. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka nentina natao fanadihadiana teo anivon’ny polisy izy ireo. Nandritra izany no nahalalana efa fa tamin’ny 23 septabra ireto olona ireto no niala tany Iran ary efa nandalo Firenena maro vao izy tonga teto Madagsikara izao. Rehefa natao nyfisavana ny entan’izy ireo dia mbola tratra tany amin’izy ireo ny pasipaoro iraniana izay manamarina ny tena fiavian’izyireo. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ary tsy maintsy ho ampodiana any amin’ny taniny izy ireo raha vao vita izany.
T.M.