- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAferana safira : Teratany Sri-lankais nisoloky vola iray miliara mahery

Aferana safira : Teratany Sri-lankais nisoloky vola iray miliara mahery

Velon-taraina ireo tompona vato avy any amin’iny faritra Andilamena iny. Teratany vahiny iray, niaraka tamin’ny namany tompon-tany no nisoloky vato sarobidy, safira milanja 30 grama tamin’ireo mpitandraka vato avy any Andilamena. Tranga niseho ny 5 aprily lasa teo. Araka ny fampahafantarana nataon’ireo tompon’ny vato tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary, dia saika hivarotra ireto vato izy ireo. Tamin’izany fotoana izany no nisy “guide”, nanoro azy ireo ity teratany vahiny ity, izay afaka mividy ilay vato. Rehefa raikitra ny ady varotra dia nasaina niakatra taty an-drenivohitra izy ireo, niaraka tamin’ny fiaran’ity mpividy sy mpanelanelana iray. Olona sivy, raha ny fanazavan’izy ireo no tompon’ilay vato ary dia niaraka niakatra avokoa. Efa somary alina ny andro vao tonga taty an-drenivohitra izy ireo ary avy hatrany dia nivantana tamina hôtely iray teny Anosibe. “Fomba fanaonay rehefa mivarotra vato toa izao ny tsy mandraikitra ny varotra amin’ny andro alina”, hoy ny fitantaran’ny iray tamin’ireo tompon’ny vato.  Raikitra ary fa ny ampitso maraina vao atao ny fifanarahana. Nofonosina tsara ireto safira ireto, nofatorana ary nasiana tombokase, araka ny fantatra hatrany. Nony tonga anefa ny ampitso, nitranga ny tsy nampoizina. Tsy hita tao amin’ny efi-trano nisy azy ireo intsony ilay teratany vahiny sy ilay Malagasy iray mpanelanelana. Teo noho eo ihany dia nitondra ny raharaha teny anivon’ny sampan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany ireto olona voasoloky. “Hita ny toerana nisy ity Srilankais ity kanefa rehefa ampiantsoana amin’ny fanadihadiana izy dia milaza ho marary ka tsy afaka amin’izany”, hoy ny fanazavana. Miraviravy tanana fotsiny araka izany ireto mpitrandraka vato ireto, mahatsiaro tena ho voarirarira foana, koa mangataka ny tompon’andraikitra, hijery akaiky ity raharaha ity. “Ny hamerenana aminay ny vatonay no hany takianay” hoy izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser