- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAfomanga amin’ny fetim-pirenena : Nametraka ny pitsopitsony ara-teknika ireo tompon’andraikitra

Afomanga amin’ny fetim-pirenena : Nametraka ny pitsopitsony ara-teknika ireo tompon’andraikitra

Efa vonona ny toerana hanatanterahana izany ary efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina hampiasaina mandritra io fotoana io. Olona manana fahaiza-manao manokana momba ny fandefasana afomanaga no hiandraikitra ny fandrindrana izany. Toy ny fanao isan-taona tokoa, amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy malagasy dia hisy ny fandefasana afomanga lehibe etsy Anosy. Hiavaka dia hiavaka ity fandefasana afomanga ity, satria ankoatry ny etsy amin’ny farihin’Anosy dia hifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fandefasana azy ireo eo amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina, aorian’ny « Antsam-piderena ». Manoloana izany dia nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra entina hitandroana ny filaminana sy ny hisorohana ny loza mety hitranga mandritra ny fandefasana io.  « Tsy tokony hivoaka ny olona efa tafiditra ao anatin’ny Kianja Barea mandritra io fotoana io, satria mitovy ny afomanga hiseho amin’ireo toerana roa ireo. Antitraterina hatrany fa ny fijorojoroana eny amin’ny manodidina ny Farihy Anosy dia tsy azo atao noho izany fa mety hampidi-doza. Raràna ihany koa ny fitsilovana « Laser » eny amin’ny Faritry ny ranon’Anosy, fa mety hitera-doza satria misarika ny fipoahan’ireo vanja ny fanaovana izany (…) Handraisana fepetra hentitra ireo izay minia mandika izany fandaminana izany  » araka ny voalazan’i Jly Andriamasimanana William, tomon’andraikitry ny filaminana eo anvion’ny Kômitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici