- Publicité -
vendredi, septembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAhiana ho fanapoizinana ara-tsakafo : Mpanafàna lanonana roa maty, iray tsaboina

Ahiana ho fanapoizinana ara-tsakafo : Mpanafàna lanonana roa maty, iray tsaboina

Maloka indray ny andro eo amin’ny tontolon’ny mozika sy ireo fanafàna lanonana. Mpihira vao erotrerony iray avy ao amin’ny tarika Jean Rigo, ary mpitendry « clavier » matihanina, avy ao amin’ny tarika Firmin no nindaosin’ny fahafatesana omaly. Vehivavy iray, mpihira ihany koa no mbola araha-maso ara-pahasalamana rehefa avy niditra hôpitaly.

Raha ny angom-baovao voaray dia ekipa niaraka nanafàna lanonana teny amin’ny faritra Ampitatafika teny izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Ary taorian’izay no nitranga ny soritr’aretina, izay saika nitovitovy avokoa, ary nidiran’izy ireo hôpitaly. Nandeha avy hatrany ny eritreritry ny rehetra ny amin’ny mety ho fanapoizinana ara-tsakafo izay nahazo ireto mpanafàna lanonana ireto tamin’io fotoana io. « Banga iray ny Tarika, tsy misy anao intsony (…)  ary mirary fahasalamana hoanao indray koa izahay ranabavy izay mbola mitsabo tena (…) tratran’ity fanapoizinana ara-tsakafo ihany koa » araka ny hita ao amin’ny pejin’i Jean Rigo.

Raha ny fanazavana azo avy amin’ny olona akaikin’ireo niharam-boina ireto mantsy dia toa hoe tsy nitsahatra nando izy ireo, ary natao « sous serum » avy hatrany, iray andro taorian’ilay lanonana niarahan’izy ireo. Indrisy fa io tsy tana intsony io moa ny an’ilay tovolahy mpihira sy ilay mpitendry vatamaroafitsoka matihanina. Ilay vehivavy iray kosa, efa nalefa nody omaly, saingy mbola araha-maso ny toe-pahasalamany.

Hatreto, araka izany, tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izao voina nihatra tamin’ireo mpanafàna lanonana sy mpanakanto fantatra eo amin’ny tontolon’ny mozika ireto. Tena fanapoizanana ara-tsakafo tokoa ve sa zavatra hafa ? Tsy nahazoam-panazavana rahateo ny teo anivon’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha omaly, raha niezaka niantso ny tompon’andraikitra izahay. Andrasana araka izany ny tohin’ity raharaha ity sy ny fanazavàna entin’ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici