Samy niala bala avokoa, ny lehiben’ny pôlisy izay nanontaniana momba ity raharaha ity ary nilaza ho tsy mahafantatra. Notorian’nytompon’ny « bar » iray, ny pôlisy maromaro izay miasa amin’ny boriborin-tany izay tsy hotononina eto aloha. Ny antony dia izy ireo no ahiany ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana azy; izay nitranga tamin’ity herinandro ity. Raha ny fantatra, dia nisy endrika tadidin’ilay mpivarotra zavapisotro ny sasany tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Io no nitarika azy hametraka ny fitoriany. Re koa fa nohidin’ireo tompon’antoka mihitsy ilay toerana nandritr’ilay asan-jiolahy. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina mahakasika ireo mpitandro ny filaminana voarohirohy ireo. Nanokatra fanadihadiana ny teo anivon’ny « inspection » eo anivon’io vondrona io ary mety mbola ho avy ihany koa ny fanadihadiana eo anivon’ny sampan-draharahan’ny heloka bevava. Irarian’ny mpanara-baovao mba tsy handeha any amin’ny kiantranoantrano ny raharaha, satria efa mijaly loatra ny mponin’Antananarivo, noho ny afitsoky ny fanafihana mitam-basy. Tsy mahamenatra ny manasazy ireo nania no sady manome lesona tsara ho an’ny tena miasa ihany koa izany…
D.R