Tsy manadino ireo fianakaviana aman-jatony mahery eny amin’ny fokontany Andavamamba, ny Fikambanana silamo Ahmadiyya Madagasikara, indrindra fa amin’ireo fety isan-karazany ao anatin’ny kalandrie silamo. Omaly, omby 6 no novoina sy nifampizarana teny an-toerana, tao amin’ny sekoly izay naorin’ny fikambanana. Fanehoam-pitiavana avy amin’ireo mpikambana, notarihan’ny Tompon’andraikitra nasionaly Atoa Ahmad Mujeeb, ho an’ireo fianakaviana sahirana. Isan’ny hetsika fanampiana ihany koa, tafiditra ao anatin’ny Fahatsiarovana ny nanoloran’i Abrahama ny zanany ho an’Andriamanitra, ho porofon’ny finoany. Nilaza ity tompon’andraikitra voalohany ity, fa tsy mijanona eo amin’io fokontany io ihany ny hetsika fa hiparitaka. Nanamarika ihany koa izy fa ato ho ato, ny faram-paran’ny volana Oktôbra izao, dia hisy ny fitsaboana maimaimpoana ataon’ny Ahmadiyya, ho an’ireo olona manana olana eo amin’ny maso, tratry ny aretina katarakta.
m.L