Notontosaina ny 23 septembre 2021 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe (ACMIL) ny lanonana ara-miaramila ho famindram-pibaikona teo amin’ny Kaomandin’ny Akademia Miaramila taloha, ny Jeneraly RAMANAKAVANA Henri José sy ny Jeneraly Pikulas Démosthène nisolo toerana azy taorian’ny filankevitry ny Minisitra. Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Lehiben’ny Etamazaoro ny Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin ary ireo tompon’andraikim-panjakana ambony sy ny eo anivon’ny Tafika Malagasy. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitry ny Fiarovam-pirenena no nisaorany ary nankasitrahany ny asa vitan’ny Kaomandin’ny ACMIL teo aloha izy hanana andraikitra vaovao. Nitsodrano ny Kaomandin’ny ACMIL izay vao nandray ny toerana ihany koa izy. Nilaza ny tenany fa hitondra fanovana sy rivo-baovao amin’ny fampianarana eo anivon’ity toerana fanofanana ho manamboniahitry ny Tafika ity izao fanendrena vaovao izao.
T.M.