- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAkademia Miaramila Antsirabe : Nitsidika ny sekoly ny AMEP

Akademia Miaramila Antsirabe : Nitsidika ny sekoly ny AMEP

Taorian’ny fandalovan’ireo mpianatra amerikanina avy ao amin’ny US Naval Academy, ny 24 may lasa teo dia tonga nitsidika ny sekoly ihany koa ny solontena avy amin’ny AMEP, na “American Military Education”. Tontosa ny faha-15 jona lasa teo izany fitsidihana ny Akademia miaramila eto Antsirabe izany. Ny faniriana hahafantatra bebe kokoa ny sekoly mpanofana manamboninahitra sy ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-tafika eo amin’ny roa tonta no anton’ny fandavalovan’ireo vahiny amerikana ireo izao, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Akademia miaramila, ny jeneraly Ramasy Razafindrakoto Heritiana sy ny mpiara-miasa aminy rehefa nandray ireo vahiny ireo. Marihina fa manana ny lazany manokana ny Akademia miaramila Malagasy eto amin’ny kaontinanta afrikana sy manerantany. Araka izany dia nisy ny fotoana voatokana nentina nampahafantatra tamin’ireo vahiny ny mombamomba ny sekoly. Ho an’ny Akademia miaramila manokana dia tafiditra amin’ny fanamafisana sy fitadiavana fiaraha-miasa hoentina manatsara ny fampianarana sy fiofanana eo anivon’ny sekoly ny fifandraisana amin’ireo vahiny ireo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici