- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAkademia miaramila Antsirabe : Voatendry ny vondron-tafika iasan’ireo andiany vao nivoaka farany teo

Akademia miaramila Antsirabe : Voatendry ny vondron-tafika iasan’ireo andiany vao nivoaka farany teo

Notontosaina androany Alakamisy faha-03 novambra 2022 tany amin’ny Centre National d’Entrainement Commando d’Ambatoloana na CNEC ny fanamafisana ny safidin’ireo manamboninahitra andiany mivantana faha 43 izay miisa 65 mianadahy sy andiany manokana faha 25 miisa izay 63 mianadahy nivoaka avy ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny 03 septambra 2022 lasa teo amin’ny sokajn-tafika hiasany. Marihina fa kihon-dalana iray lehibe ho azy ireo izao ka ho an’ny andiany manokana dia 35 no nisafidy ny Tafika Malagasy ary ny 30 kosa nisafidy ny ho Zandary, raha ho an’ny andiany manokana kosa dia ny 61 no nisafidy ny Tafika Malagasy ary ny 02 nisafidy ny ho Zandary. Ny andiany mivantana dia niofana nandritra ny 3 taona fa ny andiany manokana kosa dia nandritra ny herintaona noho izy ireo efa manana ny fahaizana manokana amin’ny sehatr’asa eo anivon’ny Foloalindahy. Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena dia naneho ny fankasitrahana ny Tafika malagasy tamin’ny asa vitany nandritra ny lahateniny. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, niaraka tamin’ny solontenan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotobe Christian izay mpandrindra ankapobeny ny asa ara-stratejika eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, Nandritra izany dia ny fampisehoana ny fahaizamanao izay nataon’ny “Force spéciale” sy ireo mpiofana ao amin’ny andihany faha 44 avy ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ary ny fanolorana ny « Brevet commando » ho an’ireto farany ho marikin’ny fahavitan’izy ireo ny fiofanana notanterahan’izy ireo tany an-toerana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici