- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAkademia miaramila : Mpianatra ho manamboninahitra Amerikana niofana tao amin’ny sekoly

Akademia miaramila : Mpianatra ho manamboninahitra Amerikana niofana tao amin’ny sekoly

Mihamafy horina hatrany ny fiaraha miasa ara miaramila eo amin’ny tafika Malagasy sy ny firenena Amerikana. Mpianatra ho manamboninahitra amerikana miisa 30 indray mantsy no tonga ao amin’ny sekoly hiazara traikefa sy ny fahaiza manao amin’’ireo mpianatra ho manamboninahitra Malagasy,tsy eo amin’ny lafiny ara miaramila ihany fa hivelavatra amin’ny  lafiny ara tsosialy sy ny kolontsaina.  Marihina fa nandritra ny 9 andro nijanonan’ireo vahiny ireo tao amin’ny sekoly dia nanaraka ny andavanandron’ireo mpianatra manamboninahitra Malagasy izy ireo. Isan’ny asa nosahan’ireo vahiny ireo ny fampiarana teny Anglisy sy ny fifampizarana traikefa eo amin’ny lafiny tekinikam-pikotranana. Voalaza fa efa misokatra ho an’ny Malgasy amin’izao ny fifaninana hidirana ho mpianatra ho manamboninahitra ao Wespoint. Ankaotra izay dia nianatra ny fomba amam-panao Malagasy ireo vahiny ireo indrindra  fa ny fomba amam-panaon’ny miralamila Malagasy. Namaranana ny fandalovan’ireo vahiny tao amin’ny Akademia ny fizarana mari-pankasitrahana ireo vahiny ireo izay notarihan’ny kaomandin’ny sekoly ny jeneraly Ramasy Razafindratovo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici