- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAkamasoa : Dimy lahy tra-tehaka nangalatra “panneaux solaires”

Akamasoa : Dimy lahy tra-tehaka nangalatra “panneaux solaires”

Nisy nangalatra ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro maromaro tao amin’ny Epp Mahatsara, tao amin’ny Akany Akamasoa an’i Mompera Pedro, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy, tao amin’ny PA Manantenasoa ny tompon’andraikitra taorian’izay. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto mpitandro filaminana, nikarohana izay nahavita izany asa ratsy izany. Tsy niandry ela tokoa, taorian’ny angom-baovao isan-karazany sy ny fikarohana nataon’ireto mpanao fanadihadiana dia nisy ny vokatra, “noho ny loharanom-baovao maro ananan’ny polisy sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mponina eny an-toerana” hoy ny fampitam-baovao azo. Ny andron’ny sabotsy teo dia nisy dimy lahy nosamborin’ny pôlisy. Andian’olon-dratsy izay voalaza fa isan’ireo tompon’antoka tamin’izany halatra “panneaux solaires” izany. Nentina notazomina avy hatrany tany amin’ny “poste”-n’ny polisy moa izy dimy lahy ireto, hanaovana ny fakàna am-bavany azy ireo, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fitsaràna, hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Momba ireo nangalatra jiro na panneaux solaires teny amin’ ny AKAMASOA hita sy tra-tehaka ihany, anisan’ ny mponina eny ihany ve iz’ ireo ? Aeaka ny resaka mandeha dia efa mitaraina foana ny mponina manodidina eny mantsy, fa ny olona eny amin’ n AKAMASOA ireny ihany no mivondrona ho jiolahy, tsara fiarovana eny..

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici