- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAkanin-jaza ao Antsirabe : Vavikely valo taona, maty nodarohana

Akanin-jaza ao Antsirabe : Vavikely valo taona, maty nodarohana

Nandray ny andraikiny avokoa ny manampahefana isan’ambaratongany. Nisy ny fanokafana fanadihadiana nataon’ny fitsaràna ary ny fanidiana vonjimaika an’ilay akanin-jaza, fanapahan-kevitra izay noraisin’ny ministeran’ny mponina. Ny talata teo no nisy nampandre ny sampam-pitsarana misahana ny zaza tsy ampy taona, mahakasika ny fahafatesan’ny zazavavy iray valo taona; izay maty teo anivon’ilay akany. Rehefa nozahana ny razana dia hita fa, vokatry ny daroka no nitarika ny fahafatesany. Mpiasa teo anivon’ilay toerana ary eo ambany fiahian’ny tale vehivavy iray no ahiana ho tompon’antoka tamin’ity raharaha vono olona ity. Raha araka ny tatitry ny ministera mpiahy, dia tamin’ny taona 2008 no nahazo alàlana ny hisokatra ilay akany voakasika. Tamin’izany fotoana izany ihany koa no naterin’ny ray aman-dreniny tao ilay zaza, noho ny tsy fananan’izy ireo amin’ny fitaizana sy fanabeazana azy. Nihidy vonjimaika ilay akany fitaizana zaza sahirana mandra-piandry ny fanadihadiana atao amin’ny mpiasa ao anatiny ary koa ny tale misahana izany. Raha araka ny fampitam-baovaon’ny ministera mpiahy dia nisy ny fitadiavana vahaolana nanomboka afak’omaly ny amin’ny hanalàna avy hatrany ireo zaza mbola taizàna ao mba hametrahana azy ireo an- toerankafa. Tapaka ihany koa nandritra ny fivorian’ny manam-pahefana tao an-toerana fa hozahana tsirairay avokoa ireo zaza mba hahitàna ny fepetra horaisina raha sanatria ka misy amin’ireo no efa niharan’ny fampijaliana ara-batana na ara-tsaina. Farany dia mandeha ny fitadiavana ny ray aman-drenin’ilay zaza amin’izao fotoana izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici