- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAkany fitaizana zaza kamboty notafihan’ny dahalo : Voatifitra ny talen-tsekoly, voaroba ny fitaovana...

Akany fitaizana zaza kamboty notafihan’ny dahalo : Voatifitra ny talen-tsekoly, voaroba ny fitaovana rehetra

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray, tany amin’ny Distrikan’i Toliara II, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny folo ora , tao Ampasy. Lasibatra tamin’izany ny Akany Longosoa,  sekoly fanabeazana sy fitaizana an’ireo zaza mahantra sy kamboty an-jatony maro. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia dahalo am-polony nirongo  fiadiana no nanafika tao amin’ity Akany ity, ka tranona mpanabe iray izay mpitantana an’ity sekoly ity no voaroba, ary lasan’ny malaso tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-trano niaraka tamin’ ireo vilany lehibe fandrahoana sakafo ho an’ireo mpianatra sy ny antontan-taratasy rehetra momba ny sekoly ary « panneaux  solaires ». Nitsoaka niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay mpampianatra voatafika, ka notifirin’ireo dahalo, ary naratra mafy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly amin’izao. Na dia niezaka nanao ny fanarahan-dia aza ny Fokonolona teo an-tanàna, tsy hita ny nanjavonan’ireo mpanafika. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo  mahazo laka any amin’ny Distrikan’i Toliara II, dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa mba hitady vahaolana haingana sy maika ary mahomby, satria izay manao ny soa amin’ny fanavotana ny zaza malagasy mahantra no simbaina sy iharan’ny herisetra halatsa-drà, hoy ireo mponina any an-toerana mandry andriran’antsy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici