- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAkon’ny fetin’ny krismasy : Olona roa toran’ny toaka, olona valo tratran’ny lozam-pifamoivoizana

Akon’ny fetin’ny krismasy : Olona roa toran’ny toaka, olona valo tratran’ny lozam-pifamoivoizana

Raha noheverina fa nilamina ny fiatrehan’ny olona ny fetin’ny krismasy teny anivon’ny polisim-pirenena, dia tsy izay no nitranga teny anivon’ny hopitaliben’i Toamasina. Raha ny  tarehimarika nomen’ny sampana mpamonjy voina ao amin’ny hopitalibe dia olona roa no nandalo teo anivon’izy ireo ny 25 desambra vokatry ny fahatoranana nateraky ny toaka nosotroina. Samy mandalo fitsaboana goavana avokoa izy roa lahy ireto ary mbola atahorana ny ainy noho izy ireo mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’izao. Ny 25 desambra ihany dia 28 ireo nandalo teo anivon’ny hery vonjy taitran’ny hopitalibe, ka ny 20 tamin’izany no votery nahiditra hopitaly noho ny fahavoazan’ireo nitrangany sy ny nisehoany. Nisy valo kosa ireo tratran’ny lozam-pifamoivoizana ny 25 desambra teo izay nateraky ny moto avokoa. 02 kosa ireo tratran’ny loza tao an-tokantrano vokatry ny antsy nampiasainy, ary iray tratran’ny loza an-dalam-be amin’ny tsy fijerena ny lalana haleha. 48 ireo tranga na loza niseho ny alin’ny 24 desambra, ka ny 37 tamin’izy ireo no voatery nahiditra hopitaly noho haben’ny fahavoazana. Nambaran’ny mpitsabo eo anivon’ny vonjitaitran’ny hopitalibe fa nisy fihenany ny fitrangana loza voarain’izy ireo tamin’ity taona ity. Voamarina izany fa tsy maintsy nitsitsy sy nahay nitantam-bola ny vahoakan’i Toamasina tamin’ity taona ity vokatr’ilay fihibohan’ny covid-19 sy ny tsy fisiam-bola ankehitriny. Nohamarinin’ny mpitsabo ihany koa fa ny fahatoranana nateriky ny toaka niseho tamin’ireo roa lahy ireto, izay tena mbola tsaboina hatramin’izao, dia fisotroana toaka tsy an-kiato tao anatin’ny telo andro, nefa tsy mihinan-kanina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici