- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAkon’ny paska : Tovolahy iray maty an-drano, nahatratra 40 ny lozam-pifamoivoizana

Akon’ny paska : Tovolahy iray maty an-drano, nahatratra 40 ny lozam-pifamoivoizana

Isan’ny toerana ankafizin’ny fianakaviana maro avy eto an-drenivohitra ny mamonjy an’i Toamasina amin’ny fotoana ny paska tahaka izao. Toamasina rahateo no misy ny ranomasina akaikin’Antananarivo, ny faran’ny herinandron’ny paska ihany koa naharitra efatr’andro tamin’ity taona ity.

Ny alahady teo anefa, nitranga ny tsy nampoizina tamin’ireto fianakaviana tonga niala sasatra tao Toamasina ireto. Raha iny naka ny baolina lasa tany an-dranomasina iny ity tovolahy iray 16 taona tokony tamin’ny 11ora sy 30min, satria nilalao kitra teo amoron-dranomasina izy mianakavy tamin’io fotoana io, dia tsy nipoitra intsony ilay tovolahy fa natelin’ny rano ary tsy hitan’ireo mpanarato nanampy tamin’ny fikarohana ny fatiny raha tsy adiny roa taty aoriana, izay tsy lavitra ny faritra nilentehany anefa. Raha tonga teny amin’ny hopitaly be tokony tamin’ny 02ora latsaka fahefany ny razana dia fahasemporana an-drano no nahafaty ilay tovolahy araka ny fanadihadian’ny mpitsabo.

Ankoatra izany, dia isan’ny olana goavan’ny faran’ny herinandron’ny paska ihany koa ny lozam-pifamoivoizana, izay mitana ny laharana voalohany ny  scooter sy ny Tuc-Tuc. Tao Toamasina tampon-tanana fotsiny dia nahatratra 40 izany ny alahady sy ny alatsinainy teo, raha 15 ireo ratra nateraky ny ady vokatry ny hamamoana, ary iray kosa no toran’ny toaka. Samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa ireo tra-doza rehetra, ankoatra ireo tratry ny aretina hafa izay ny tosidra sy ny tazo no betsaka.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici