- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkorondrano : Zazalahy kely 10 taona, voafaokan’ny fiara, miady amin’ny fahafatesana

Ankorondrano : Zazalahy kely 10 taona, voafaokan’ny fiara, miady amin’ny fahafatesana

Ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva no  nisehoan’ity lozam-piarakodia ity teny amin’iny faritra Ankorondrano , akaikin’ny lasantsy. Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa zazalahy kely, sahabo eo amin’ny 10 taona eo no voafaokan’ny fiara , teny an-toerana. Niaraka tamin’ny reniny ihany ity zazakely ity , saingy tsy fantatra mazava izay tena niavian’ny loza, hoy hatrany ny loharanom-baobao voangona. Nisy ny nanambara fa diso nandeha mafy loatra ity fiara ity, ilay zaza rahateo tsy voatazon’ity reniny ,ka teo no niteraka ny loza .Tapaka ny tongotr’ity zazalahy kely ity vokatr’izany , ary voalaza fa nipotsaka hatramin’ny taolany, mihitsy .  Nijininika ny rà, nameno ny arabe tetsy Ankorondrano, ary vetivety ireo olona teny an-toerana dia nitangorona nijery ity loza nitranga ity. Vantany vao voadona kosa ity farany dia nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly mba hotsaboina. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso teny , dia tsy nihetsika intsony ity zazakely ity , ary tsy nahatsiaro tena ihany koa, ka izay no namonjena azy haingana mba hanavotana ny ainy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa mbola manaraka ny fitsaboana eny anivon’ny hopitaly ity zazalahy kely ity ankehitriny , ary mbola betsaka ihany koa ny vola ilaina , mba hanohizana ny fikarakarana azy, noho ny rà diso very be loatra. Teo ihany koa ny teo amin’ny tongony izay nahazo dona mafy ka nahatonga ity zazakely ity, ho tsy tafatsangana mihitsy. Fantatra , fa miaraka amin’ireo ray aman-drenin’ity zaza ity , mikarakara ihany koa , ilay mpamily an’ity fiara , izay nahavanon-doza ity, amin’izao.

FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici