- Publicité -
jeudi, janvier 8, 2026
AccueilFaits-DiversAlain Andriamiseza : Navoaka tao amin'ny zandary

Alain Andriamiseza : Navoaka tao amin’ny zandary

Ny alatsinainy teo no nivoaka ny sampan-draharahan’ny zandary miandraikitra ny fanadihadiana heloka bevava. Omaly dia naneho hevitra izy ary nanazava fa fanohintohinana ny filaminana anatiny no antony nitazomana azy. Nohazavainy misimisy kokoa fa noahiana hanongam-panjakana izy ny 5 janoary lasa teo ary izay no antony nitazomana azy rehefa nosamborina tao an-tranony tany Mahambo ny faramparan’ny taon-dasa. Ny vovonana Tafita, izay izy no filoha mpanorina, no nahiana ho nikarakara ny fitaomana olona an-dalam-be. Nohazavainy anefa fa na ireo mpikambana aza dia tsy nifankahita akory ary tsy hisy fihaonana raha tsy amin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taom-baovao, izay hatao amin’ny faran’ny volana Janoary. Nilaza ny tenany fa nihaona tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ary nifampidinika taminy raha vao nivoaka. Isan’ny nolazainy mazava fa tsy mankatoa ny fanendrena ny lehiben’ny Governemanta ankehitriny izy noho io farany izay tsy tao anatin’ny tolom-bahoaka nitranga teto amin’ny firenena. Mahakasika ny raharaham-pitsaràna indray dia tsy natolotra ny fampanoavana izy raha ny fantatra. Izay hoe tapitra teo amin’ny fanadihadiana savaravina ny dosie momba azy. Nisaotra manokana ireo mpisintona ny lakolosy fanairana eo amin’ny tambajotra sosialy ny tenany noho ny fanohanan’izy ireo azy ary koa noho ny fampitàna ny vaovao mahakasika azy ka nitarika tamin’ny famotsorana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici