- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAlakamisy Ambohidratrimo : Taxi-brousse nirehitra, may ny fiara sy ny entana

Alakamisy Ambohidratrimo : Taxi-brousse nirehitra, may ny fiara sy ny entana

Fiara mpitatitra rezionaly iray, mampitohy ny renivohitra sy Ankazobe no may kila forehitra omaly antoandro, teny Alakamisy Ambohidratrimo. Tsy nisy noraisina ity taxi-brousse marika « MB 307 » ity vokatr’izany fahamaizana izany, niaraka tamin’ny entan’ireo mpandeha tany ambony tafo, izay tsy voavotra intsony. Na izany na tsy izany anefa dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo no niseho ny loza, raha ny angom-baovao azo. Handeha hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiara ity tamin’io fotoana io. Avy nihanika ny fiakarana teny an-toerana ity fiara ity no nambaran’ireo nanatri-maso fa nisy setroka hafahafa nivoaka avy teo amin’ny faritra alohan’ny fiara. Noheverina fa niaka-pana ny môtera ka najanonan’ny mpamily sy nampangalana sisiny. Tsitapitritapitr’izay anefa dia nisy lelafo nivoaka avy tao amin’ny fitoeran’ny môtera. Teo no nikoropaka avokoa ireo mpandeha namonjy nivoaka, namela ny entana sy ny zavatra rehetra tao anaty fiara. Tsy nisy azo natao intsony rahateo fa niha-nahazo vahana tanteraka ny afo, nandevona ireo rehetra ireo, ary tsy namela izany raha tsy vovo-davenona sy karaokam-by sisa. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity firehetana tampoka ity. Nahagaga ny maro ihany koa ny toe-java-nisy, satria raha ny angom-baovao azo dia toa hoe tsy nahitàna ilay tavoahangy kely menamena famonoana afo tao anatin’ity fiara ity, izay isan’ireo zavatra takiana sy tsy maintsy misy ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, izay tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny zava-nisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici