- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAlakamisy Ambohimanga : Foire Takalo III

Alakamisy Ambohimanga : Foire Takalo III

Nosokafana ny talata teo ny foaraben’ny Tantsaha andiany faha 3, tetsy amin’ny fokontany Alakamisy Ambohimanga. Nandray anjara tamin’izany ireo fokontany miisa 22 ao amin’ny kaominina Ambohimanga. Nanome voninahitra izany ny ben’ny tanàna tany an-toerana sy ny delegasiona avy atsy La Réunion izay notarihan’ny ben’ny tanàn’ny Bras Panon anisan’ny mpiara-miombin’antoka. Efa tena lasa lavitra tokoa moa raha io tanàna any ivelany io satria efa ho faha-38 izao. Traikefa moa no hifanakalozana amin’izany ary be dia be tokoa ny vokatra toy ny voamaina sy ny vary izay ilain-dry zareo any an-toerana. Efa nisy koa moa ny vola fanampiana izay efa nomena ny kaominina tao Alakamisy mitentina 1 000 euros. Anisan’ny fanampiana nomen’izy ireo ihany koa ny hananganana ny sampana vonjy taitra na « pompiers » ho fisorohana ny loza ateraky ny afo amin’ny maha faritra be ala any faritra iny.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser