- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlakamisy – Fenoarivo : Zaza naolana, novonoina ary natao tao anaty gony

Alakamisy – Fenoarivo : Zaza naolana, novonoina ary natao tao anaty gony

Omaly no niakatra teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona enina izay efa nidoboka am-ponja ka natao fanadihadiana lalina. Izy ireo dia voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana zazavavy iray 11 taona. Izy io dia zanaky ny miaramila iray monina eo Alakamisy-Fenoarivo. Tsy hita ny antoandro tontolo ary rehefa niha-hariva ny andro dia nifampitadiavana tao an-tanàna. Tao anatin’izany no nisy nilaza ho nahita fa niditra tao amin’ny hotely iray ao Alakamisy-Fenoarivo izy. Teo dia nanapa-kevitra ny olona ny hisava ilay hotely, teo ihany koa ny mpitandro ny filaminana. “Raha ny zava-nisy dia lehilahy iray tao anatin’ilay hotely no naka azy. Heverina fa raha naheno ny sahotaka tao ivelany izy dia tsy hitany intsony izay fomba hanafenana ilay zaza” raha araka ny fijerin’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny fanadihadiana ity raharaha heloka bevava ity. Notohizan’io loharanom-baovao io fa nanapa-kevitra namono ilay zaza ilay olona tao anatiny. Nataony tao anaty gony nony avy eo ilay razana dia natsipiny teo akaiky teo ihany. Tsy niandry ela araka izany dia sarona ny zava-nitranga rehetra. Momba ity raharaha ity dia olona enina tamin’ireo valo no nidoboka am-ponja vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Omaly no nentina teo amin’ny mpitsara mpanao famotorana ary naverina teny amin’ny toeram-pamonjana rehefa vita ny fihainoana azy tsirairay avy. Tsy marina kosa ny filazàna fa misy ny mikasa hanao herisetra ao Alakamisy-Fenoarivo raha sanatria ka misy ny famoahana vonjimaika na koa misy didy tsy mifanaraka amin’ny eritreritry ny olona mivoaka avy ao amin’ny Fitsarana, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser