- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlakininina hopitaly be Toamasina : Fokontany feno miaramila, saingy anjakan’ny tsy filaminanana

Alakininina hopitaly be Toamasina : Fokontany feno miaramila, saingy anjakan’ny tsy filaminanana

Isan’ny làlana anjakan’ny halatra moto.

Tena mifampanontany mihitsy isaky ny maraina ny andro ny mponina ao amin’ny fokontany Analakininina Hopitaly be ity, fokontany misy ny tobin’ny Tafika sy misy ny tranon’ireo manamboninahitra miaramila, ireo trano olombelona miaramila ary ireo olombelona zandary sasany nefa dia tena malaza sy mampikolay ny mponina tara mody mitondra moto ilay lalam-baovao “Beton” vao vita amin’ity fokontany ity. Tao anatin’ny roa herinandro izay araka ny vaovao nomen’ny mponina kivy amin’ny zava-misy, dia tsy latsaky ny 10 ny moto efa norobain’ireo andian’olona voalaza fa mitondra fitaovam-piadiana mahiry vaika mandritra izany. Ny 07 tamin’ireo voaroba moto ireo amin’izany dia renim-pianakaviana mamonjy fodiana ka misafidy ilay lalam-baovao. Ankilan’izay dia tao anatin’io roa herinandro io koa dia tokantrano 6 no nisy namaky tao amin’ny ka ny moto sy ny vola ihany no alain’ireo andian-jiolahy amin’izany. Misy sahy mijoro ho vavolombelona mihitsy ireo voa mandritra izany, tahaka ity renim-pianakaviana iray sahy nitantara ny nanjo azy ity. Nirava niasa aho araka ny nambarany, dia namonjy fodiana, eo akaikin’ny trano fianarana mpitsabo mpanampy izay tsy lavitra ny tranona miaramila. Tokony ho tamin’ny 07ora hariva efa akaiky ho tonga an-trano dia nosakananan’olona enina samy mitondra basy mahery vaika. Tsy nisy ny resabe fa voadaroka aloha ny tenany, hoy ilay ramatoa ary tsy nahazo mikiaka miantso vonjy, lasa ny moto sy ny finday teny aminy tamin’izay. Mangataka vonjy ny mponina ao Analakinina Hopitaly be mba hanao ny asany ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany marina ireo toby miaramila sy toby na zandary ao anatin’ny fokontany, mba hiaina ao anatin’ny filaminana sy tsy fitaintainana isaky ny hody ny mponina ao an-toerana…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici