Teny amin’ny tambajotran-tserasera no nahalalan’ny minisitera ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, ny zava-nisy tao anatin’ity ala voatokana ao Andranobe kaominina Ambodiriana distrikan’i Mahanoro. Nisy niditra sy nanimba ary namboly ao anatin’ilay ala voatokana, nefa tsy azo anaovana izany ity ala voaaro ity fa entina hiarovana kosa ny tontolo iainana sy fitehirizana ny zavaboaary maro ao anatiny mba tsy ho lany tamingana.
Tsy niandry ela ny ministera raha nahita izany fanimbana ny alan’Andranobe izany, fa ny 2 jona 2021 teo dia nandefa hiraka manokana tany an-toerana nijery sy nanao fanadiadiana ny zava-nisy ary nanao tombana ny fahasimbana hita. Nandritra ny dian’ireo iraka manokana avy amin’ny minisitera, izay nahitana ireo teknisiana teo anivon’ny talem-paritra atsinanana mikasika izany tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy izany; ka nandritra izany no nahitan’izy ireo fa efa tena simba sy potika ny ala arovana sy voatokana ao Andranobe I kaominina ambanivohitr’Ambodiriana ity. Efa maro mantsy ireo olona tafiditra tao anatiny nandritra ireny krizy ny valanaretina ireny, satria efa nahavita fonenana sy namboly izy ireo amin’izao ka maro ireo hazo voakapany nandritra izany ankoatra ireo amidiny.
Mahavoasazy ny toe-javatra toy izany araka ny lalana mifehy ny tontolo iainana, nefa raha ny tombana dia efa ny taona 2019 no nanombohan’izy ireo niditra ny ala voaaro sy voatokana ity, ka efa ny taona 2020 no nandefa hiraka tany ny minisitera ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy, saingy izao mbola mitohy izao hatrany ny fanaon’ireo vahoaka miditra an-keriny ny faritra voaaro sy voatokana. Ny antony ihany koa dia ireo olom-boafidy no tena olana amin’ny fidiran’ny olona ao anatin’ity ala voaaro sy voatokana ity, satria izy ireo no milaza amin’ny vahoaka azo hidirana sy ambolena ny ala voatokana sy voaaro toy itony. Nandritra izao fidinana ifotony nataon’ireo solon-tenam-panjakana niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ireto, ka noraisina ny fanapahan-kevitra fa manomboka dia tsy azo idirana sy ambolena intsony ao anatin’ny ala arovana sy voatokana.
Hisy ny fisamborana sy fanasaziana raha mbola misy ny tratra manao izany. Tao anatin’izay anefa dia nongotana avokoa ireo fambolena hita tao anatin’ilay ala, sy noravaina avokoa ireo trano fonenana naorina tao anatiny. Natao izao hoy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, noho ilay politikam-panjakana hamerina ho maitso an’i Madagasikara indray, ka tsy azo ekena mintsy izany famotehana ala voaaro izany.
Malala Didier