Noho ny fiitarana eo amin’ny fanapotehana zetra hatao tanimbary ao Alaotra, dia nitroatra ireo VOI na Vondron’Olona Ifotony mba hanakanana izao fanapotehana goavana izao .Nenjehin’ny VOI ireo olona natao hiambina ireo zetra hatao tanimbary, taorian’ny fifamaliana mahery vaika izay nitranga niampy fifanenjehana tamin’ny antsy lava sy fibarana, ka vaky nandositra ireo olona karamain’ny mpanambola hiambina ny zetra hopotehina hatao tanimbary .Raha ny momba ny ranon’Alaotra aloha hatreto, ho nofinofy ny ahitana azy afaka taona vitsivitsy, satria efa ny ampahany sy ny manodidina izay zetra teo aloha no potika ary lasa tanimbary. Maro ireo mpanambola midina sy mamaritra tany ao anaty zetra ao. Misy ireo olona manana andraikitra ambony amin’izany ary misy mpitandro filaminana ihany koa. Ny zavatra mahagaga amin’ity fanapotehana zetra aty Alaotra ity, dia ny fisian’ny fametahana tsatobato (borne ) sy ny fitondrana mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ireo olona mahazo tany. Raha ny fankalazana ny andro maneran-tany ho fiarovana ny varika taty Alaotra farany teo, dia tsy nahitana tompon’andraiki-panjakana nanatrika ka nampimenomenona ny avy tao amin’ny MWC; izay fikambanana miaro ny zetra sy ny tontolon’ireo biby ao anatiny. Andrasan’ny rehetra araka izany ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana mahakasika ny fahapotehan’ ny zetra amin’izao fotoana izao.
Janus R