Nahagaga ny manodidina ny nahita sahotaka tamin’ity tokantrano iray ity ary dia niafara tamin’ny ady saritaka fa hoe hisaraka mihitsy .Nivonto izay tsy izy mantsy ny maha-lehilahy an-drangahy ,ka io no fototry ny olana ,hoe nanota fady tany ho any ,nataon’ny tompom-bady fiandry ,mampirafy sns… Niezaka ny nanazava ihany rangahy fa tsy nilamina ny resaka fa toa mainka tsy nino ramatoa .Araka ny loharanom-baovao dia avy namonjy ny asany ity mpanabe ity ary poritra te hivalan-drano ka nanao izany tao anaty kirihitra ,kinanjo nisy fanenitra tao ka io no nanaikitra ny filahiany , dia nivonto sy nihan-goza dia izao nitarika olana teo amin’ny tokantrano izao satria natahotra ny fahalehibiazany angamba ramatoa .Tandremo, mba mailo ihany amin’ny fanaovana maloto etsy sy aroa ireny fa sao tratra tahak’ity raim-pianakaviana ity ka ny aina no nanefa ,ny fahafaham-baraka tsy laitra ny tokantrano mety ho simba
Janus R