Faritra Analanjirofo sy Alaotra Mangoro no voakasiky ny tetikasa, ka ireo mponina manodidina ny sahan-driakan’i Maningory no ijerena sy ikarohana fomba hampiasany ny otrikarena manodidina azy. Mpianatra telo mianadahy no manao ny fikarohana , ka eo ny mikaroka mahakasika ny olona mivelona amin’ny faritra mando, misy mandalina mahakasika ireo mivelona amin’ny faritr’ala ary jerena ireo mivelona amin’ny tanety. Maharitra telo taona ilay tetikasa fikarohana, araka ny nambaran’ny solontenan’izy telo mianadahy, Rtoa kely Ravaka Annick, izay mpianatra momba ny AGRO eny anivon’ny anjerimanontolo. Dingana voalohany natao tamin’ny taon-dasa ny fifampiresahana mivantana tamin’ireo olona teny ifotony. Ankehitriny dia misy ny kilalaon-tsaina hanakarana sy hikarohana ny fomba fanaon’ireo tantsaha mahakasika ny tontolo ny fambolena. Nambaran’ny tomponandraikitry ny sampana ETH any Alaotra, Patrick Waeber, izay manampy amin’ny fandrindrana io tetikasa io, fa zava-dehibe amin’ny lafiny fampandrosoana atsy ho atsy ny voka-pikarohana ataon’izy ireo. Miezaka mandray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fanatanterahana io tetikasa io ny Madagascar Wildlife Conservation, tarihan’Atoa Sandaniaina Rakotoarimanana. Mpiara-miombona antoka ny Missionary Botanical Garden. Hanafaingana ny tontolon’ny fampandrosoana eny ifotony ny fahatontosana ity tetikasa ity hatramin’ny farany.
Janus R.