- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlaotra Ambatondrazaka : “Assistany parlementaire” maty nazeran’ny môtô

Alaotra Ambatondrazaka : “Assistany parlementaire” maty nazeran’ny môtô

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao amin’ny kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, ny faran’ny herinandro teo. Namoy ny ainy tao anatin’izany ny mpiara-miasa akaiky ny solom-bavambahoaka voafidy tao Ambatondrazaka sy olona iray niaraka taminy, teny ambony môtô. Raha ny fampitam-baovao avy an-toerana dia loza nateraky ny olana ara teknika teo amin’ilay fitaovam-pitaterana nentin’izy ireo no nahatonga ny loza.Teo am-pidinana lalana iray teo amin’ny tanana antsoina hoe Andilanomby no tsy voatana intsony ilay moto, izay nentin’ilay assistant parlementaire. Nianjera vokatr’izany izy ireo. Notatazan’ny vato lohan’ilay nitondra môtô ary izay no nitarika ny fahafatesany teo no eo. Ilay olona nentina kosa naratra mafy ary efa nentina nihazo ny tobim-pahasalamana. Efa tonga tany an-toerana nijery ny zava-nisy ifotony ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity moa ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici