- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAlaotra : Aretina pesta, tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana

Alaotra : Aretina pesta, tsy ampy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana

Toa lasa tsinontsinoavina ny aretina pesta aty Alaotra ka mampatahotra ny vahoaka  amin’izao fotoana izao .Raha Ankerana  Andilamena no nahitana olona maty nanodidina ny 7, vokatr’io ny aretina io  teo aloha,  dia niampy ny tao Amparafaravola izany, ka olona iray aloha no voaporofo fa maty .Olona 14 no noahiahiana tao Amparafaravola, ka voaporofo fa ny 5 no voany ka nandraisana fanapahan-kevitra. Tafakatra 8, araka izany, ny matin’ny pesta taty Alaotra, ankoatra an’ireo tsy fantatra mazava .Nandray ny andraikiny ny vahoaka ka nisian’ny fanadiovana faobe, ny faha 4 desambra 2014  teo, tao Amparafaravola,  ka nandraisan’ny vahoaka tsy ankanavaka ny andraikitra. Niala vola am-paosy tamin’ny fanondrahana fanafody DDT sy ny maro hafa hamonoana parasy. Mendrika ny fandraisana andraikitra fa andrasana kosa izany hataon’ny fanjakana foibe, satria tsy ny vahoaka irery no hahavidy ny fanafody hamonoana parasy. Andrasana ny    fandraisana andraikitra matotra  ataon’ny fanjakana hahafoana ny aretina pesta.

 Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser