Ambatondrazaka : Tsy hanaiky ny hanaovana gaboraraka ny volam-panjakana intsony ny senatera Rabenony
Niteraka resabe teo amin’ireo ben’ny Tanàna nahazo tombontsoa tamin’ilay fanampian’ny fanjakana ny kaominina mantsy ny nanaovana kitoatoa ny asa rehetra izay natao. Nanolotra vola tamin’ny alalan’ny C L D (comité locale de development ) izay vola mahatratra any amin’ny 200 Million d’ariary isaky ny distrika mantsy ny fanjakana Malagasy ka ireo solombavam-bahoaka no mitantana azy miaraka amin’ireo kaomity izay hajoro .Ny kaominina tsirairay no manao ny tetik’asa hatao any aminy ka arakaraka ny tetikasa hoy ny fanazavana ny hamatsiana ny vola . Nampiaka-peo ny ben’ny tananan’Ampitatsimo Ambatondrazaka sy ny ben’ny tananan’Antsangasanga fa tsy arakaraky ny zavatra nangatahana no natao tany amin’izy ireo , tetezana vato no nangatahana ka tetezan-kazo no natao, ireo tetezam-bato kosa indray tsy manaraka ny fenitra. Taorian’ny fitarainan’ireo ben’ny Tanàna dia nidina teny ifotony ny loholon’ny Madagasikara Atoa Rabenony Day niaraka tamin’ireo ben’ny Tanàna nijery ny asa natao tany amin’ireo kaominina , izay nanambaran’itsy farany fa tsy hanaiky intsony ny fampiasana gaboraraka ny volam-panjakana tahaka izao satria tsy mendrika ny zavatra natolotra ireo kaominina , nanambara ity loholona ity fa ny fanjakana foibe efa mijery ny tombontsoan’ny vahoaka amin’ny fampandrosoana anefa ireo nametrahana andraikitra indray no tsy manaja ny asany ,nanambara ihany koa izy fa tsimaintsy jerena akaiky izao raharaha izao ary fantarina ny orinasa nanao ny asa tsy zarizary tahak’izao . Ho tantara mitohy izany izao raharaha izao satria efa vita ireo asa sasany
Janus R
Alaotra: Maina ny tanimbary tsy misy ny orana , mitebiteby fatratra ny mpamboly
Fimenomenonana no hita eo amin’ny mpamboly aty Alaotra amin’izao fotoana izao noho ny tsy firotsahan’ny orana. Raha ny volana oktobre sy ny volana Novembre no efa vita ny ketsa dia hatramin’izao dia mbola betsaka ireo tsy nahavita ny azy vokatry ny tsy firotsahan’ny orana mihintsy aty Alaotra. Raha nisy nilatsaka kely izy ny volana desambre teo dia zara raha nahamando tany ka hatramin’izao dia maina ireo tanimbary . Araka ny nambaran’ny mpamboly iray dia efa sarotra ny hamboly makalioka raha faran’ny volana Janoary vao hikarakara izany, raha mirotsaka ihany koa ny orana fa mety ho lasa raviny fotsiny , soa ihany hoy ny fanazavana fa misy ny vary telo volana mba ahafahana manarina ny fatiantoka . Hatahorana araka izany ny vokabary aty Alaotra Mangoro, ka raha sompitry Madagasikara Alaotra dia mety ho mifanohitra amin’izany ny zava-misy nohon’ny fahamainan’ny tany ,miandry ny fandatsahana orana aritifisialy ataon’ny fanjakana ny rehetra
Janus R