Isan-taona dia ahitàna trangan’aretina avy amin’ny alika 8 isan-taona eto Moramanga ary avy amin’ny omby roa ao Ambatondrazaka, voasokajy ao  anatin’ny antontan’isa ho 1% izany. Eo anelanelan’ny volana oktobra ka hatramin’ny volana desambra mandritra ny andro mafana no fotoana ahitàna ny tranga, hoy ny talem-paritry ny ministeran’ny  fambolena sy fiompiana Andriamatoa Rakotondrabe Samuel teto Moramanga nandritra ny fankalazana rezionaly, ny zoma 4 novambra 2016, sady nitondrana ny fanentanana natao tamin’ireo mpianatra rehetra sy ireo vahoaka tonga nanatrika ity fotoana ity .Valo ny faritra ahitàna ity areti-mandoza ity eto Madagasikara ary anisany ny faritra Alaotra Mangoro. Mbola vitsy anefa ny ivontoeram-pitsaboana haromotana eto Madagasikara satria 31 no isany, ary any Ambatondrazaka no ahitàna izany ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro.Tsy manadino ny sosialim-bahoaka ny fitondrana foibe, hoy ny lehiben’ny faritra,  satria na dia efa tamin’ny 28 septambra aza no andro natokana hankalazana izany dia nitondra izany teto  Moramanga ihany izy ireo ho fiaraha-mientana amin’ny famongorana ity aretina ity. Hisy ny fepetra horaisina amin’ny fisian’ny alika mirenireny eto Moramanga.
CATHY
Alaotra Mangoro : Alika sy omby maro voan’ny haromotana
Articles qui pourraient vous intéresser



