- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAlaotra Mangoro : Distrika 3 no nahitana trangan’aretina pesta, nisy ny namoy...

Alaotra Mangoro : Distrika 3 no nahitana trangan’aretina pesta, nisy ny namoy ny ainy

Anisan’ny nitondra faisana tamin’ny trangan’aretina pesta, ny taty amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny taona 2014 teo , io no tatitra nataon’ny talem-paritry ny fahasalamana Alaotra Mangoro tamin’ny fivoriana natao niarahana tamin’ny lehiben’ny faritra sy ireo talem-paritra izay samy nanao tatitra amin’ireo sehatr’asa iasany avy. Nambarany fa Andilamena izay namoizana ain’olona sy Amparafaravola izay mbola namoizana ain’olona ihany koa ary Moramanga izay nalaky voafehy, ka tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny fanazavan’ireo mponina tamin’ireo tanàna nahitana fahafatesana, dia anisan’ny olana ny tsy fahafantarana ny tena marina ny fanitrihana ny vaovao marina tamin’ity trangan’aretina pesta ity. Nisy mihitsy aza ny fitreromana mpanao gazety ny tsy amoahana ny tena zava-misy nataon’ny talem-paritry ny fahasalamana, anefa dia izao vaky bantsilana izao fa nisy ny pesta. Foana tanteraka io aretina io ankehitriny anefa mbola maha-mailo ihany vokatry ny loto amin’ireo tanana sasany ,ny orana rahateo mijojo toa saika isan’andro ka mitondra ireo fako miandrona etsy sy eroa. Nanao ezaka goavana ny lehiben’ny distrikan’Amparafaravola miaraka amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo ray amandreny tao an-tanàna nanadio sy nanentana ny rehetra izay nampian’ny faritra tamin’ny fitaovana. Na izany aza anefa, voalazan’ny vaovao avy any an-toerana fa nisy tranga vaovao hafa indray tamin’ny voalohan’ny taona teo. Tsy mbola nisy afaka nanamafy izany anefa ny tompon’andrikitra isan-tsokajina tany an-toerana. Tokony samy ho mailo ny rehetra hanaja ny fahadiovana ary hanatona ny tobim-pahasalamana, raha misy ny tranga tsy dia mazava amin’ny fahasalamana fa maimaimpoana ny fitsaboana ny aretina pesta. Ampy rahateo ny fanafody hoy ny fanazavan’ny mpitsabo.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser