Nahatsapa ireo olona rehetra tonga namonjy ny atrikasa fakan- kevitra notontosain’ ny CFM Alaotra Mangoro, natao teto Moramanga, fa fohy ny fotoana. Ity andrim- panjakana ity no azon’ ireo vahoaka hanaterana ireo fitarainana maro samy hafa maharary azy ireo. Porofon’ izany ny fisian’ ireo fitarainana miisa 1300 efa voarain’ izy ireo. Nanome toky
ny filoha nasionalin’ ny CFM, Andriamatoa Maka Alphonse, nandritra ny fandraisam- pitenenany, fa zava- dehibe avokoa ireo tolo- kevitra ka tsy avela ho very. » takon’ ny fanatontoloana ny fihavanana malagasy » ; io no nambaran’ dRamatoa Rasoamaniry, mpitarika ny Cfm Alaotra-Mangoro . Very ny fahaizana mifanaja eo amin’ ny ray aman-dreny sy zanaka. Amin’ ity renim- pianakavina ity dia ny reny no mitana anjara toerana lehibe eo amin’ ny fiainam- pirenena, satria izy ireny no mikarakara sy mitaiza ny ankohonany. Ny famerenana amin’ ny lanjany ireo fomba fifanajana sy ny toeran’ ny firaisankina Malagasy no hisian’ ny fampandrosoana eto amin’ ny firenena. « Tsy tokony hatakalo ny hasin’ ny firenenatsika ! » Io no hafatry ny filohan’ ny tangalamena tamin’ ireo mpizaika .
Cathy