Hiakatra fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana amin’ny Alarobia faha 30 Aogositra 2017 izao ny raharaha mahakasika ny mpiasa voaroaka tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro izay noroahan’ny lehiben’ny faritra .Niteraka resabe tokoa teo anivon’ny fiaraha-monina ny faha 31 Desambra 2016 teo ny fandroahana ny mpiasa miisa 8, ECD avokoa, tao amin’ny faritra. Nambaran’ireto mpiasa ireto ny tsy fanajana ny tombontsoan’izy ireo talohan’ny fandroahana, ary miampy ny zo maha-olona azy na dia efa intelo nandefa taratasy tany amin’ny faritra amin’ny fampahafantarana izany aza izy ireo. Ny Asabotsy faha 26 Aogositra 2017 teo no nihaonan’ny mpiasan’ny faritra voaroaka ireto tamin’ny mpanao gazety ,izay nanambaran’izy ireo fa misy ny tombontsoa tokony ho azo amin’ny maha mpiasa ara-dalana azy ireo, nefa dia tsy nohajaina izany . Efa niala nenina tamin’ireo tompon’andraikitra maro eto an-toerana izy ireo kanefa tsy nohajaina, hoy ny fanazavana , raha tsy hiresaka afa-tsy ny tao amin’ny prefekitiora ,ny parlemantera ,ny tany amin’ny minisitera ,eny fa hatrany amin’ny fiadidiana ny repoblika ,ka izao niafara tamin’ny fitoriana amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana izao .Nanambara firaisankina ireto mpiasa ireto ,ary miantso ny fanjakana hijery ny maha olona mba ho tombontsoan’ny mpiasa malagasy
Janus R