Nitondra takaitra taty anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny andro ratsy sy ny rivodoza nandalo farany teo nanomboka ny volana desambre 2014 teo. 6015 ireo traboina sy tsy manan-kialofana. Tranom-panjakana 3 no rava tanteraka. Tanimbary 6000Ha tany ho any no tototry ny bedana sy safotry ny rano. Kaominina 13 amin’ny 20 ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka no tena voa mafy. Tonga taty an-toerana ny solontenan’ny BNGRC, notarihan’Atoa Rakotomanga Taciano, nanatitra fanampiana toy ny vary amin’ny gony maro, voamaina ,savony menaka ,labozia ,siny fantsakana ,lamba amin’ny gony maro. Ny lehiben’ny distrikan’Ambatondrazaka Atoa Herilaza Jeanoni sy ny ben’ny Tanana Andriamanirison Jacque no nandray ireo fanampiana ireo. Nanambara itsy farany fa hozaraina amin’ny fomba mangarahara amin’ireo traboina ireto fanampiana ireto.
Janus R