Toa iri-mahaory ny firotsaky ny ranon’orana aty Alaotra amin’izao fotoana izao. Raha nanomboka ny krismasy teo, dia toa saika isan’andro ny fijojon’ny orana, ka nisy ireo toho-drano izay efa reradreraka no vaky, ny lakandrano mitondra ireo rano rahateo maro no tsentsina. Mitaraina arak’izany ireo mponina amin’ny toerana iva any amin’iny faritra Morarano sy ny manodidina iny, fa rakotra rano avokoa ny tanimbary amin’izao fotoana izao. Raha mbola mitohy io ato ho ato dia atahorana ny voka-bary amin’ity taona ity. Ny faritra avo toerana sasany indray dia nahazo tombony, satria ampy ho azy ireo ny ranon’orana ka afaka miasa ara-dalana ny vahoaka. Na ny làlana na ireo tamboho dia betsaka no nirodana vokatry ny oram-be nikija tato ho ato, nisy mihitsy aza fahafatesan’ny omby lehibe iray izay lasan’ny rano ny faran’ny taona teo. Anisan’ny mbola olana amin’ny tanan-dehibe sasany ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny tanan-dehibe, ka eny ambony lakandrano no manao trano sy mamboly amin’ny sisin’ny tatatra ka rehefa fahavaratra mitondra faisana hatrany fa tsentsina ny tatatra ary miakatra an-tanàna ny rano.
Janus R