- Publicité -
lundi, février 16, 2026
AccueilFaits-DiversAlaotra-Mpamosavy : Tratran-drafozany nandihy teo ambony fasana ny vinantovaviny

Alaotra-Mpamosavy : Tratran-drafozany nandihy teo ambony fasana ny vinantovaviny

Sendra ny zavatra tsy nampoiziny ity fianakaviana iray mipetraka any Didy Alaotra. Nahita olona nandihy teny ambonin’ny fasan-dry zareo izy ireo raha handeha hivarotra tantely. Rehefa nojerena, hay ny vadin’ny zanany lahy io mitotorebika mandihy ary misarakorako volo io.

Niala maraina ny tananany ny olona maromaro handeha hivarotra tantely any Andaingo. Tamin’ny 1 ora maraina izy ireo no nanainga. Rehefa nandalo ny fasam-pianakaviana anefa, io misy olona mandihy eo ambonin’ilay dongona. Nojokoin-dry zareo ilay izy ka rehefa teo akaiky, notsilovina jiro ny masaony ka jenjina avy hatrany. Tsy afaka nihetsika fa noraisaim-potsiny teo. Nojerena ka hay ilay vinantovavy ao an-trano ihany io tratra io. Teo no ho eo, lasa niverina nody tany an-tanana. Rehefa tany dia tsy maintsy nanao ny fombafomba rehetra hanalana ny ody mampivoaka alina ilay vehivavy. Nisy ny famonoana omby tamin’izany.

Janus

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter