Mpimasy malaza sy atahoran’ny vahoaka miisa 3 no saron’ny zandary amin’izao fotoana izao miaraka amin’ireo dahalo 20 tena raindahany sy ody gasy amin’ny kilao maro .Manao ny ainy tsy ho zavatra ny zandary aty Alaotra amin’izao fotoana izao ,ary manomboka mandositra ireo dahalo tsy voasambotra ,satria raha i Tokanono dia ramatoa efa ho 75 taona any ho any ary manompo devoly mihitsy satria izy avokoa no mpimasin’ireo dahalo any amin’iny faritra iny. Etsy andanin’izany, omby an-jatony no notafihan’ireto dahalo an-jatony mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny kalaknikov, mass 36 fitaovam-piadiana mahery vaika tany amin’iny tananan’ny Fololahy Ambalamanasy sy Morafeno, kaominna Antanimenabaka, samy ao anatin’ny distrikan’Andilamena, nanomboka ny faha-16 Aogositra 2017 lasa teo .Nalaky ny fiantsoan’ireo fokonolona ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana, ka rehefa madiva ho tratra ireto dahalo dia niverina nitodika sy nijanona nifanatrika an’ireto zandary. Ny dahalo izay toa tsy laitran’ny bala ny sasany, hoy ny loharanom-baovao. Vaky nandositra ireo fokonolona marobe nanampy ireo zandary ka zara raha zandary 15 sisa no nifanandrina tamin’ireo dahalo, izay manana fitaovam-piadiana mitovy amin’ny an’ny zandary . An-jatony ireo dahalo manesy ireo omby efa ho an-jatony maro ihany koa, izay samy mitondra basy , ka ny sasany avy eny aloha ,ny sasany amin’ny sisiny andaniny roa ary ireo tsy laitram-bala no eny afara mifanehitra amin’ny mpitandro ny filaminana. Atao eo afovoany ny omby. Moa tsy toy ireny amin’ny horonantsary western ireny, hoy ny fanazavan’ny fokonolona. Hentitra ny baikon’ny lehiben’ny zandary aty amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny kolonely Randriamaharivo Hery Lala, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, fa tsy nisy naninona ny zandary ary tafaverina amin’ny tompony ny omby an-jatony nangalarina, ary hofongorina ny ratsy.
Janus R