Niezaka nampijanona ilay fiara, nilaozan’ny hisatra ihany ny mpamily saingy tsy tana fa nivadika ihany ilay taxibe tetsy Alarobia Amboniloha omaly.
Loza indray no nitranga tetsy Amboniloha omaly maraina tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any. Avy any Androhibe hizotra ho any Anosibe ity taxibe mitondra ny zotra 150, no nivadika tetsy Amboniloha. Araka ny fitantaran’ny olona nanatri-maso dia nifanenjika tamin’ny namany ity fiara, nitondra mpandeha am-polony ity. Raha teo am-pandraisana ny fidinana miala kely ny siniben-drano anefa no tsapan’ny mpamily fa tsy nisy hisatra intsony ny fiara, ary tsy nety nijanona. Hany herin’ilay mpamily dia ny nandefa izany teny amina rindin-tany tamin’ny ankavanany. Efa niharitra ny dona mafy voalohany araka izany ireo mpandeha tao anatiny. Tsy vita teo anefa fa tsy tafajanona tamin’izay eritreritra izay ilay fiara noho ny vesatra ny sy ny hafainganam-pandehany. Nihanika ilay rindrin-tany ny kodiarana aloha an-kavanana, nampihilana ilay fiara ary niafara tamin’ny fivadihany tamin’ny lafiny ankavia. Vokany, nandriaka ny rà. Olona efatra tamin’ireo mpandeha no naratra mafy. Zaza amam-bolana, izay voadona teo amin’ny lohany, niaraka tamin’ny reniny, voa teo amin’ny lohany ihany koa, ankizy 13 taona iray ary ny mpamily izay tsy nahatsiaro tena intsony. Fiara sendra nandalo teny an-toerana no niangaviana nitondra sy namonjy azy ireo teny amin’ny tobim-pahasalamana. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny pôlisy dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo avokoa ireo naratra. Iretsy mpitandro filaminana moa izay tazana teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy ary nandamina ny fifamoivoizana, ary inoana fa hanokatra fanadihadiana mahakasika ity loza nitranga ity.
Noho ny fisetrasetrana amin’ny fandehanana mafy tokoa matetika no mahatonga ny patsa iray tsy omby vava amin’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Fa etsy andanin’izay ihany koa ny resaka tsy fahatomombanana ara-teknika eo amin’ny fiara. Hany ka ireo mpandeha hatrany, izay tsy manan-tsiny, no miantoka ny vokany.
m.L