- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia Amboniloha : Tovolahy namono tena, nitsoraka tany ambany taxibe

Alarobia Amboniloha : Tovolahy namono tena, nitsoraka tany ambany taxibe

Hatairana tokoa ny an’ny rehetra, mponina teny amin’iny faritra Amboniloha iny, nanatri-maso ny zava-nisy. Tovolahy iray, manodidina ny 20 taona teo ho eo no  avy hatrany dia nitsoraka, tsy tam-pisalasalana tao ambanina fiara mpitatitra iray, mihazo an’iny faritra iny, omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any.

Araka ny nambaran’ireo olona miara-monina aminy dia efa hatramin’ny alatsinainy hariva teo ity tovolahy ity no nanomboka hafahafa sy very saina. « Milaza fa misy manenjika sy mitady hamono izy ary tsy mitsahatra ny mivavaka. Tamin’izay ihany koa izy no milaza fa te hamono tena ary mitomany foana. Tamin’ny voalohany, noheverinay fa hanihany, hay tena notanterahiny tokoa izany » hoy hatrany ny fitantaran’ireto olona ireto. Maro tamin’ireo mponina teny amin’iny faritra iny no nahita azy nijoro tsy lavitry ny arabe, ary tampoka teo no nitsorahany tampoka tao ambanina taxi-be iray feno olona. « Tampoka loatra tamiko ilay fihetsika nataony saingy soa ihany aho fa tafajanona raha tsy izany … » hoy ny mpamilin’ilay taxibe. Efa tany ambany fiara moa ity tovolahy ity no nosokirina ary efa nandalovan’ny kodiarana ny kibony. Naratra fotsiny ihany fa tsy nahatanteraka velively ny zavatra nokasainy hatao. Marihana fa mpiambina ao amin’ny tanana iray eny amin’iny faritra iny ity tovolahy ity ary vao herinandro mahery teo izay no nahatongavany niasa tao amin’io toerana io, raha ny angom-baovao hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy moa ny tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany. Ary niafara tamin’ny fifampiraharahana ihany ny zava-nitranga. Niara-nahita rahateo moa ny rehetra fa tsy nisy hadisoan’ilay mpamilin’ny taxibe velively ny zava-niseho. Araka ny fanazavàn’ny mpanidinika fiaraha-monina iray dia amin’ny ankapobeny, ny toe-java-misy hiainan’ny rehetra amin’izao tokoa no manosika ny olona hamoy fo, na ho very saina tanteraka ankoatry ny olana ara-pitiavana sy ny maro hafa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici