Ny sabotsy efa alina, tokony ho tany amin’ny 7 ora sy sasany tany ho any, lehilahy iray no fantatra fa maty notifirin’ny polisy avy ao amin’ny BC teny Alarobia. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa anisan’ny tafiditra tamin’ny raharaha famonoana an’ilay vehivavy fantatry ny olona amin’ny anarana hoe beby Sinoa izy io. Taorian’ny nahafaty an’ity vehivavy ity, olona roa voalaza fa mpanampy azy no efa nosamborina ka nalefa teny amin’ny Fampanohavana ny zoma lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy roa vavy ireto no nahalalan’ny mpanao famotoroana ny fisian’ity lehilahy ity, hoy hatrany ny vaovao. Ny marain’ny sabotsy dia efa teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny BC nampian’ny andrimasom-pokonolona nanara-maso ny fihetsik’ilay lehilahy. Rehefa tamin’ny hariva anefa, rehefa natonina izy dia voalaza fa nilefa ary tsy nety nijanona. Tamin’io fotoana io no nahavaoan’ny bala azy ary namoizany ny ainy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa teny amin’ny manodidina an’Alarobia eny ihany io olona io no nonina fahavelony.
Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata no nisy nanafika tao an-trano fivarotany ity sinoa vavy ity. Ny teo amin’ny manodidina izay nahamarika zavatra hafahafa no nilaza tamin’ny havany mipetraka tsy lavitra. Rehefa nojerena dia vatana mangatsiaka no novantanin’izy ireo. Nifatotra tongotra aman-tanana sy votampim-bava izy. Nanomboka teo no nandeha ny fanadihadiana isan-karazany mikasika izao vono olona izao.
r.s.