- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia : Mpandeha an-tongotra maty nodonin’ny fiara

Alarobia : Mpandeha an-tongotra maty nodonin’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny Alarobia, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora tany ho any. Olona roa no indray nodomina fiara voalaza fa tapaka « frein ». Ny iray vaky ny lohany ary dia maty teo no ho eo, ilay faharoa kosa maratra mafy ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Mbola tanora vao herotrerony ity namoy ny ainy ity, satria tokony ho 17 taona eo ho eo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa samy tsy nisy afaka niala izy roa ireo. Fiara Mazda miasa any ivelan’ny renivohitra ity nitera-doza ity. Toa hoe vao handeha hiasa izy io, izao nanao loza izao. Tsy fantatra na tsy voafehy ny familiana rehefa tsy tafajanona intsony ilay izy, ka dia izao nifaoka olona izao.

Ankasina. Nisesisesy ny loza nahafatesana olona teto Andrenivohitra tamin’ity heriandro ity. Ny talata lasa teo, teny Ankasina, vehivavy iray ihany koa no maty voadonan’ny fiara. Maty avy hatrany koa ity olona ity, tokony ho 25 taona eo ho eo. Efa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana. Hatramin’izao anefa, tsy mbola nisy havany na fianakaviana tonga teny naka ny fatiny. Miakanjo « collant » mainty ambany izy. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy.

Fa ankoatra ireo loza roa teto Andrenivohitra ireo, nisy iray namoizana ain’olona koa teny amin’ny faritry Mahitsy. Ankizy lahy 17 taona koa no namoy ny ainy noho ny loza. Voalaza fa handeha hanao vankasy any Mahajanga izy izao sendra ny loza izao.

Tamin’ireo loza telo notanterina eto ireo, dia samy tsy nisy nandositra adidy ireo mpamily rehetra voakasik’izany. Samy nandray ny andraikiny avy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici