Fa dia nahoana loatra? Maromaro ihany izay olona misandoka ho mpitandro filaminana tratra izay tao anatin’ny andro vitsy monja. Samy voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny avokoa izy ireo. Vao afakomaly indray mantsy dia tovolahy iray mitonona ho polisy miasa eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo no tra-tehaka saika hisoloky olona tamin’ny vola efatra tapitrisa ariary, teny amin’iny faritra Alarobia iny. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena mantsy fa nisy niantso avy hatrany ireto farany rehefa nisy nampandre fa misy olona mitonona ho polisy mikasa ny haka vola am-pitaka taman’olona. Teo anatrehan’ny zava-nisy, izay azo lazaina fa fandotoana ity vondrona mpitandro filaminana ity dia nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza ireo polisy tena izy avy etsy Analahamahitsy. Tazana teo amin’ilay toerana tokoa ity tovolahy iray, izay manao fanamiana sivily, angamba mbola teo am-pandresen-dahatra ilay olona lasibatra. Volabe aman-tapitrisany moa no voalaza fa notakian’ity farany, izay tsy mbola fantatra na ho sandan’ny inona na ho sandan’ny inona. Nosamborina avy hatrant ity te ho polisy fatratra ity saongy mampiasa izany anarana izany hanavaon-dratsy ka nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny kaomisariana. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa ranamana, mandra-pahatonga ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fitsarana. Tsiahivina fa andro vitsy talohan’io no efa nahatratra polisy sandoka tetsy Ankadindratombo ihany ireo tena izy. Tra-tehaka teo am-panakanana fiara, hitakiana vola indray ity farany. Fa tetsy andanin’izay ihany koa zandary sandoka roalahy ihany koa no voasambotry ny zanadry tena izy tetsy Alasora. Ireto farany indray, fantatra fa nampitondra faisana ireo olon-droa mpampiaraka amin’ireo toerana mangingina.
m. L