- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia : Roalahy nanafika fivarotana, notapenany ny vavan’ilay ramatoa

Alarobia : Roalahy nanafika fivarotana, notapenany ny vavan’ilay ramatoa

Ny alarobia alina tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, mpangalatra roalahy no tonga nandroba tao amina fivarotana kely iray, tetsy Alarobia. Lasan’izy ireo avokoa ny vola tao an-trano, ny finday ary nitondra sigara ry zalahy vao lasa nandeha. Tamin’io ora voalaza etsy ambony io, araka ny vaovao voaray, nitsambikina tamin’ny tamboho ireo mpangalatra. Misy toerana somary maizina eo an-tokotany ary nitampify tao izy ireo. Efa nihidy ny tsena. Tsy mandeha, araka ny vaovao hatrany, ny rano eny an-toerana raha tsy efa alina. Tsy nanampo na inona na inona ilay ramatoa mpivarotra ka nivoaka ny trano hanangona rano ho an’ny ampitso. Izany hoe, tsy mihidy ny varavarana. Ankeviny efa fantatr’ireo mpandroba izany ka tonga ry zalahy. Avy hatrany dia notapenany tànana ny vavan’ilay ramatoa ary nilazany tsy hiantso vonjy. Noho ny tahotra, dia nomena an’ireo jiolahy avokoa ny vola rehetra tao an-trano. Izany rahateo no notadiaviny. Raha vao nahazo izany ireo bandy roalahy, dia lasa nandeha. Tsy lavitra ny tranona olona ambony iray teto amin’ny firenena no niseho ity famakiana fivarotana ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici