Lonilony, sotasota, ambadika pôlitika sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ? Sefo fokontany iray teny amin’iny faritra Alarobia Morarano iny ,no notafihan’ny jiolahy teo amin’ny valo lahy teo, nirongo basy mahery vaika, omaly vao maraim-be. Tsy tonga tany amin’ny tanjona niriany anefa ireto olon-dratsy fa tonga ara-potoana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Na izany aza, araka ny vaovao voaray hatrany, dia efa tafiditra teo an-tokotany ary niomana ny hiditra tao an-trano izy ireo no henon’ny tompon-trano sy hitan’ireo manodidina. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no niseho ity trangam-panafihana tsy tontosa ity, raha ny fantatra hatrany. Notapahan’izy ireo ny karakara vy teo amin’ny tamboho, nahafahan’izy ireo niditra. Ny feo nikotaba tamin’izay angamba no nanaitra ity sefo fokontany sy ny fianakaviany. Nahamarika ireto vatan-dehilahy hafahafa mitam-basy ihany koa ireo mponina teny amin’ny manodidina, ka avy hatrany dia nampiantso mpitandro filaminana. Ny handroba fotsiny sa ny hamono mihitsy no tetik’izy ireo ? Vantany vao hitan’izy ireo mantsy fa nifoha tamin’ny torimasony avokoa ireo fokonolona, dia toy ny tsy teo no nanjavonan’izy ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana, nanao savahao ny manodidina saingy efa tsara afin’ny haizina sy ny elanelan-trano ireo olon-dratsy ,ka tsy nisy hita intsony. Efa eny am-pelan-tanan’ireo pôlisy moa ity raharaha ity. Nisesisesy indray ny fanafihan-jiolahy tato ho ato. Raha tsy hiteny afa-tsy ilay vao nitranga ny omalin’ity fanafihana ity fotsiny, teny Ankorondrano; izay naha lasibatra orinasa lehibe roa sy tranombarotra iray. Ary dia izao saika hanandrana tompon’andrakitra voalohany eo amin’ny fokontany izao indray ry zalahy.
m.L