Nikotaba ny alina teny amin’iny faritra Alarobia Amboniloha, akaiky ny fiangonana iny, ny talata lasa teo. Tovolahy iray, nandeha môtô, nihetraketraka tamin’ny olon-tsotra teny an-toerana no niharan’ny fahatezeram-bahoaka. Nodoran’ny olona ny môtô nentiny ary saika tsy namelan’ireo fokonolona ihany ity tovolahy ity, raha tsy tonga teny ny mpitandro filaminana, ny pôlisy nampian’ireo Emmo Reg. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina latsaka kely tany ho any no niseho ity trangan-tsavorovoro ity. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo fokonolona dia toa hoe zanak’olona ambony ity tovolahy ity, ary efa fanaony io mihetraketraka amin’ireo mponina eny an-toerana io. Tamin’ity indray mitoraka ity dia lehilahy iray no nilany vaniny, ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Nambara fa voa teo amin’ny mahalehilahy azy ity rangahy ity, ary tsy nanaiky izany fa niantso fokonolona. Romotra tamin’izay ny olona sasantsany ka nitady ity tovolahy mpisetrasetra ity, izay avy hatrany dia nihidy aman-trano tao amin’ny toeram-pivarotana zava-pisotro teny an-toerana. Tsy hitan’ny olona izay natao, hany ka ny môtô-ny nijanona teo amin’ny arabe no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Efa velona ihany koa ny « dory, dory ». Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy misahana iny faritra iny, saingy maro loatra ireo fokonolona vonton-katezerana, ka voatery niantso fanampiana izy ireo. Fiara efatra an’ireo Emmo no tonga teny an-toerana nanampy ny pôlisy, nandamina ny raharaha sy namonjy ity tovolahy saika matin’ny olona ity. Ary nentina avy hatrany teny Ankadilalana, avy eo nalefa teny Fiadanana, raha ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpitandro filamianana.
m.L