Manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Vehivavy iray 47 taona indray no hita faty tao anaty tatatra, eny Alarobia Mahatony iny, omaly maraina tamin’ny 6 ora. Taitra ny mpandalo teny amin’iny làlana iny raha nahita azy ity nivalampatra tanaty tatatra. Ireto farany no nampiantso avy hatrany ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana eo anivon’ny fokontany Mahatony sy ny manodidina hijery akaiky ny zava-mitranga. Raha ny fitantaran’ireo fianakavian’ny maty, dia ny ankizy zanaky ny zokiny taizan’ity vehivavy ity no sendra tonga mba nijery ny zavatra nampitangorona ny olona ka avy hatrany dia nahafantatra fa nenitoany ihany izy ity. Ireo ankizy ireo no nampandre ny fianakaviany akaiky ny zava-misy hitan’izy ireo, tao anaty tatatra. Mbola tsy manam-bady ary tsy mbola niteraka izy ity raha ny fanazavana azonay. “Tonga namonjy fivoriana tany amin’ny “Centre Akamasoa” Andralanitra izay toeram-piasany izy, ny asabotsy hatramin’ny 12 ora antoandro. Marihina fa filoha lefitra teny amin’ny toerana niasany ity olona namoy ny ainy ity. Izay no fotoana nahitanay azy farany. Nisy niara-nody taminy, saingy nisaraka teo amin’ny “arrêt” Nanisana izy ireo satria izy mbola mandray “bus” fanindroany indray. Nanomboka teo, dia tsy misy mahalala izay zavatra tena niseho taminy intsony izahay” hoy kosa ny fitantaran’ireo mpiara-miasa aminy. Misy tamin’ireo mpiara-monina aminy niaraka tamin’ny zokiny no nanamarika fa efa nisy 3 lahy nanenjika izy nandritra ny fodiany avy niasa, ny alarobia lasa teo raha ny fitantarany fony izy mbola velona. “Sempotra be izy avy niasa, tsy fantatray hoe naninona loatra. Fa izy tenany ihany no nanambara taminay fa nisy lehilahy 3 nanaraka sy nanenjika izy hatrany Mahatony; izay toeram-ponenany ihany” hoy ny mpiara-monina aminy. Raha ny tombatomban’ireo rehetra nanatri-maso izao zava-doza mampalahelo izao. Ho azy ireo, dia tsy hisalasalana fa famonoan’olona miharo habibiana efa nomanina izao. Ny manodidina rahateo tsy nahitana rà nitete na nandrenesana ntso vonjy nandritra ny alin’ny asabotsy. Saika tsy nisy nahafantarana azy intsony tokoa ity vehivavy ity, satria dia rapa tanteraka ny tarehiny. Marihina ihany koa fa lasan’ireo nahavanon-doza hatramin’ny findainy sy ny paoketrany teny an-tànany. Mbola ny vaovao hatrany no nahalalana, fa ny alakamisy tamin’ny herinandro teo, nisy trano roa vaky teny an-toerana ka anisan’izany ny an’ity vehivavy ity.
Taorian’ny “autopsie” nataon’ny dokotera nandray ity maty ity, no nahafantarana fa dian’antsy miisa 13 no hita teny aminy: efatra tandrifin’ny fony, dimy tamin’ny tarehiny, iray tamin’ny sofiny ary ny telo ambiny tamin’ny lohany. Efa am-pelatànan’ny polisin’ny “Brigade criminelle” ny raharaha ka andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana.
Niony H.