Samy nandroaka izay zakany ireo rehetra nahita, eny fa na ireo tao anaty taxibe aza dia nivoaka tao anaty fiara ary niaraka nifandrombaka teo. Samy nangorona izay tandrifin’ny tanany. Zava-niseho tetsy amin’ny Gara Ivandry, tsy lavitra ny lalan-tokana avy any Alarobia Amboniloha iny, hivoaka aty amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, ny herinandro lasa teo.
« Mana latsaka », hoy ny rehetra nanatrika tsara ny zava-nisy. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, nisy roalahy nitondra môtô avy amin’iny faritra Ankorondrano iny, somary nandeha mafy, hihazo an’i Tsarasaotra angamba. Tamin’izay fotoana izay, tsy nampoizin’ireto farany akory ny filatsahan’ny kitapo nentin’izy ireo … feno vola tsy toko tsy forohana ! Tao anatin’ny fipitihana no niparitaka ireo volabe tao anatiny, nameno ny sisin’arabe. Nikoropaka avokoa ireo nahita ary samy naka ny anjarany. Nitangorona ny olona. Eny fa na hatramin’ireo olona tao anaty fiara fitateram-bahoaka tery am-pita aza, hoy ny hatrany filazan’ireo nahita, dia nibosesika nivoaka ary mba nandroaka ity « mana » avy eny ambony môtô ity.
Tsitapitapitr’io anefa no niverina ireo roalahy nitondra môtô, raha mbola iny nifanaritaka nanangona ireto vola niparitaka ny olona. Tsy nisy alaharo alaharo, hoy hatrany ny filazan’ireo teny an-toerana fa avy hatrany dia namoaka basy izy ireo ary nanambana ireo olona rehetra teo ny amin’ny hamerenana haingana ireo vola. Nentin’ny tahotra moa ireto farany ka nanome tsy fidiny ireto vola efa voangon’izy ireo teny am-pelatanany. Tao anatin’iny fotoana fohy ihany izay zava-niseho rehetra izany. Lasa niala teo haingana, toy ny fahatongavany sy ny fandalovany niaraka tamin’ilay vola nipitika moa ireto roalahy ireto, rehefa voangona sy tafiditra tao anatin’ilay kitapo ireto ravim-bola maromaro. Nampametra-panontaniana ny maro ihany ity tranga teny an-toerana ity, na ny amin’ireo roalahy nitondra basy na ny amin’ity volabe tamin’ny kitapo nentina nandehandeha ity, indrindra moa amin’izao toe-draharaha efa mafampana eto amintsika izao.
m.L