- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAlasoara : “Servitude de passage”, manantena ireo mponina fa hivaha ny olana

Alasoara : “Servitude de passage”, manantena ireo mponina fa hivaha ny olana

Omaly no nidina teny amin’ny fokontany Androkaroka Alasora ny fitsarana handravona ny olana misy eo amin’ny olona mampiasa ireny antsoina hoe “servitude de passage”  ahazoany miditra sy mivoaka any an-tokotaniny avy. Ho fantatra amin’ny faha-8 jona ny didy havoakan’ny tiribonaly amin’izany. Araka ny filazan’ireo olona ireo dia lalana efa nisy teo io nisy namily io. Lalana vita rarivato azon’ny fiara hombana ary misy andrin-jirona’ny Jirama. Manantena ireo mponina ireo fa hiravona ny raharaha. Efa nosoloina lalana hafa ilay izy nefa voalazan’ireo mponina fa mapahatahotra. Manamorona tevana ary mamotaka be rehefa fotoanan’ny orana, izay nahitana fihotsahana teo aloha teo. Tsy azo ivezivezena araka izany. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa tonga nanamarina izany ny avy ao amin’ny fokontany sy kaominina. Tsy mety ho an’ny mponina ilay lalana namboarin’ny mpiara-monina iray. Tsy nanaiky izany moa ireo tokantrano am-polony ka dia izao tonga teny amin’ny fistarana izao ny raharaha.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser