- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAlasora : Faty teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be

Alasora : Faty teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be

Vehivavy iray no hita faty teo Alasora, teo anoloan’ny « arrêt » taxi-be, zotra 163. Ny talata alina, tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka kely no hitan’ny olona izany na dia tao anatin’ny orana aza tamin’io fotoana io. Ny tsikaritry ny olona sasany izay mpivezivezy amin’ny fiara amin’iny làlana iny dia vao haingana talohan’io no tsy teo io razana io. Izany hoe azo eritreretina ny hoe na nisy nandona na koa efa maty tany an-toeran-kafa dia natsipy teo avy eo. Tonga teny an-toerana ny polisy miandraikitra iny manodidina iny nanao fizahàna sy nandamina ny fifamoivoizana. Vetivety dia nitangorona mantsy ny olona rehefa niely ny feo ary ny fiarakodia koa mbola maro nifamezivezy hany ka nisy fotoana tapaka ny làlana. Isan’ny zavatra azo eritreretina dia mety ho niharan’ny herisetra ara-nofo ity vehivavy ity. Ny anton’izany dia noho ny pataloany izay nidina rehefa hita ny vatana mangatsiakany. Tombana avokoa izany ary handrasana ny valim-panadihadian’ny mpisahana ny raharaha heloka bevava. Mihorohoro ny olona manoloana ity zava-nitranga ity, ankoatra ny fanafihana sesilany izay nitranga ny herinandro lasa teo. Mbola teo koa aza ny korotan-tsaina izay nateraky ny tsaho momba ny fisian’ny biby hafahafa izay mihinana biby fiompy. Vokatr’izany rehetra izany mifangaro dia betsaka ny manidy tsena vao maty ny masoandro. Na izany aza, nisy ny fepetra izay noraisin’ny polisy mba handresena izany tsy fandriam-pahalemana izany. Manomboka izao dia mila mitondra karatra manga ny mponina izay mivezivezy amin’ny alina manomboka izao. Eny anivon’ny fokontany no mizara izany raha araka ny fanazavana. Etsy andanin’izany dia nohamafisina ny fampiharana ny fepetra mahakasika ny fanakatonana amin’ny sivy ora alina ny toeram-pilanonana sy ny toeram-pisotroan-toaka. Fatiolona, biby, fanafihana, asa inona indray ny manaraka ao Alasora…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici