Nosamborina avy hatrany ny mpamily ary torak’izany koa ny tompon’ny entana. Ny alarobia teo, raha nandalo teny amin’ny Bypass ny fiara peugeot 306 break iray izay nitatitra toaka gasy 260 litatra dia nosakanan’ny polisy. Rehefa natao ny fisavàna tamin’io alina io dia nahitàna ireo toaka voarara. Efa nahazo vaovao mialoha ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity raharaha ity ary nametraka barazy mifanandrify amin’ny làlana tsy maintsy hizoran’ireo olona. Fantatra avy amin’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana fa avy any Toamasina ireo toaka gasy ary saika hampiakarina eto an-drenivohitra no io tratra io. Nanokafana fanadihadiana izy ireo ary notanana eo anivon’ny polisy noho ny fitaterana sy ny varotra tsy ara-dalàna toaka gasy, zava-pisotro izay voarara eto amintsika. Mbola tsy azo atao amintsika ny fivarotana azy ireny noho izy tsy manaraka ny fenitra izay takiana ka mety hanimba olona. Efa mandeha ihany ny fifandresen-dahatra isan-karazany ny amin’ny mety hamadihana azy ho loharanom-bola saingy mbola mijanona eo amin’ny adihevitra aloha izany. Mbola voarara ny fampiasana sy fitaterana azy ary koa ny fivarotana sy fisotroana.
D.R